12/05/2025

12/05/2025

Nitarika ny fananganan-tsaina teo an-tokotany malalaky ny Minisiteran’ny Asa Vaventy etsy Anosy androany maraina ny Minisitry ny Asa Vaventy Atoa RAFIDISON Richard Théodore , toy ny fanao isaky ny alatsinainy maraina.

Nasongadiny nandritra ny lahateny fa herinandro vaovao fanohizana ireo asa fanompoana ny tanindrazana ity herinandro ity . Izay miavaka indrindra ho an'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy manokana satria misy ny fanombohana ireo asa lehibe any amin'ny tapany Atsimon'i Madagasikara izay hotarihin'ny Filoha Andry Rajoelina dia

- ny fametrahana ny Vato fototra fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny RN10 mampitohy Ampanihy - Ambovombe

- Fijerena ny fandrosoan'ireo asa fanamboaran-dalana toy ny RN13 . Ankotrizay, hotanterahina any Toliara ihany koa ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 16 mai 2025 ho avy izao.

Nohamafisin'ny Minisitra ny maha zava-dehibe ny asa fanamboarana ny lalana izay hiankinan'ny fampandrosoana . Tsy adinony ny nirary soa ho an'ny mpiasa sy nankahery ny rehetra amin’ny asa izay ho hatrehina mandritra ny herinandro.

#MTP #MTM #MDAT #leveededrapeau

Photo