Fanambaram-pananana

1-     INONA NY FANAMBARAM-PANANANA ?

Ny fanambaram-pananana dia antontan-taratasy ofisialy izay ampidiran'ny tompon'andraikitra ambony rehetra ny fananany manokana. Ahitana ny fananana ara-bola sy fananana hafa mety ho azon'izy ireo talohan'ny nahatongavany teo amin'ny toerany ary koa mandritra sy aorian'ny fitondrana.

Ireo karazana fananana voafaritra ao anatin’ny fanambarana :

-     Trano sy tany : Fananana ara-tany sy trano fonenana.

-     Kaonty an-tserasera : Vola ao anaty banky, fampiasam-bola amin'ny tsenam-bola, tahiry.

-     Fiara sy fitaovana hafa : Fiara, moto, na fitaovana hafa sarobidy.

-     Zavakanto sy fanaka : Zavakanto na zavatra hafa manana sandany.

2-     IZA AVY NO TOKONY HANAO FANAMBARAM-PANANANA ?

Tsy maintsy manao fanambaram-pananana ireo tompon'andraikitra eto amin'ny firenena manana andraikitra lehibe, toy ny :

-     Filoham-pirenena.

-     Mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana.

-     Mpiasam-panjakana ambony : Minisitra, Solombavambahoaka, Loholona.

-     Sekretera Jeneraly, Tale Jeneraly ary ireo Talen'ny sampan-draharaham-panjakana rehetra.

-     Mpitsara, na izay tompon'andraikitra miasa amin’ny sehatra fitsarana na hetra, satria izy ireo no miandraikitra ny fandaminana ny volam-panjakana.

-     Préfet sy Lehiben’ny Distrika

-     Goverinora, Ben’ny Tanana

-     CFM, SEC

-     OPJ, OPE

-     IGE, IGG, IGA

-     Ordonnateur et Comptable

-     Dirigeant EP, et SPP$

3-     NY ANTONY ILANA NY FANAMBARAM-PANANANA

-     Fisorohana ny kolikoly : Amin'ny alalan'ny fanambaram-pananana, azo jerena ny fiovana na ny fitomboan'ny fananan'ny tompon'andraikitra iray mandritra ny fotoana iasan'izy ireo. Raha hita fa misy fananana tsy azo hazavaina ny fiaviany, mety midika izany fa misy fanaovana kolikoly na fitaka.

-     Fampitomboana ny mangarahara : Ny fanambaram-pananana dia manampy amin'ny fampahafantarana ny olom-pirenena mba hialana amin'ny ahiahy mikasika ny kolikoly sy ny fampiasana tsy ara-drariny ny volam-panjakana.

-     Fisorohana ny fifandirana tombontsoa : Ny fanambaram-pananana dia afaka manampy amin'ny fitiliana mialoha ny toe-javatra izay mety hiteraka fifandirana tombontsoa, raha toa ka mandray fanapahan-kevitra izay mety hahazo tombony amin'ny fananany ny tompon'andraikitra iray.

4-     RAHOVIANA NO ATAO NY FANAMBARAM-PANANANA ?

Ny fanambaram-pananana dia tokony hatao amin'ireto fotoana manaraka ireto :

-     3 volana aorian’ny fanendrena na fifidianana

-     Havaozina isaky ny 2 taona

-     Mitohy mandritra ny 2 taona aorian’ny fiafaran’ny andraikitra.

5-     NY SAZY AMIN'NY TSY FANARAHAN-DALANA

Raha misy tompon'andraikitra tsy manao fanambarana, na manome vaovao diso, dia mety hisy sazy toa ny :

-     Hazon'andraikitra : Fandroahana amin'ny toerany.

-     Sazy ara-bola : Handoavana lamandy.

-     Fanagadrana : Amin’ny tranga misy fitaka sy fanodinkodinana.

6-     FEHIN-KEVITRA

Ny fanambaram-pananana dia fitaovana iray lehibe amin'ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra eo amin'ny sehatry ny fanjakana. Izy io dia manampy amin’ny fampitomboana ny mangarahara, ary manome toky ny olom-pirenena fa tsy ampiasaina amin’ny fomba tsy ara-drariny ny harena sy ny volam-panjakana.

Izany fanambarana izany dia manampy amin'ny fanorenana ny fitokisana amin'ny fitantanana ary manampy amin'ny fanaraha-maso ny fitondran-tena mendrika amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

ADIRESY SY FIFANDRAISANA

Birao misahana ny fitarainana sy ny ady amin'ny kolikoly (BTDLC) - MTP

Bâtiment des Travaux Publics - Anjahana Antananarivo 101  

Finday : 034 66 413 22 ; 034 68 217 36 ; 038 95 963 80 

Mailaka : mtp.btdlc.dir@gmail.com ; mtp.btdlc.doleances@gmail.com ; mtp.btdlc.lcc@gmail.com

Pejy : btdlc