TEBOKA MAINTY AMIN’NY RNS27: EFA MANAKAIKY NY ANTSASANY NY FAHAVITAN’NY ASA FANAMBOARANA

25/04/2025
Photo

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan’ny asa fanarenana amin’ny lalam-pirenena RNS27 mampitohy an’Ihosy, Ivohibe ary Maropaika ny solontenan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, notarihin’ny Fitaleavana Misahana ny Fotodrafitrasa (DINFRA) niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Ihorombe. Asa fanamboarana maika no tanterahina amin’izao fotoana izao, mikendry indrindra ireo teboka mainty mampitaraina ny mpampiasa lalana.

Ireto avy ny fandrosoan’ny asa amin’ireo toerana voakasika :

- PK 10 : Efa vita tanteraka ny fananganana « gabions » hanamafisana ny sisin-dalana sady hisorohana ny fihotsahan’ny tany amin’ny faritra marefo.

- PK 18+500 – Sahambano : Tontosa soa aman-tsara ny fanoloana ireo « madriers »tamin’ny tetezana izay efa simba.

- PK 6, PK 16+500, PK 20 : Vita ny reprofilage léger, fanitsiana ny haavon’ny lalana mba hanatsarana ny fikorianan’ny rano.

Tanjona ny hahatratra hatramin’ny 50 % amin’ny fahavitan’ny asa rehetra mialohan’ny faran’ny volana avrily.

#MTP #MTPmiasahoanao #DRTPIhorombe #RNS27