RN2 ANTANANARIVO – TOAMASINA: MITOHY HATRANY NY EZAKA FANARENANA!

20/05/2025
Photo

Mitohy tsy an-kiato ny ezaka fanarenana ny Lalam-pirenena faharoa (RN2) ataon’ny Fitondram-panjakana. Ankehitriny, ny ampahany eo anelanelan’ Ampasimadinika sy Fanandrana no isan’ny ivon’ny asa, sahanin’ny Orinasa COLAS.

Araho amin’ireto sary manaraka ireto ny fandrosoana hita eny an-toerana. Ezaka goavana no tanterahina ho fanatsarana ity lalana stratejika ho an’ny toekarena malagasy Ity, ka tanjona ny hanamora sy hanatsara ny fifamoivoizana sy ny fitaterana entana.

Mankasitraka ny vahoaka noho ny faharetana sy ny fiaraha-miasa!

#MTP #MTPmiasahoanao #RN2 #DRTPAtsinanana