LALANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA: HO VITAINA ALOHAN’NY FETIN’NY PAKA

17/04/2025
Photo

Tsy misy andraso andraso, tsy misy antoandro na alina be, fa miasa, asa hatrany . Fomba fiasan'ny Minisitra 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞 izany, hatramin'ny nitantanany ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, mametraka ho loha laharana ny fanatsarana ny Lalana eto Madagasikara.

Vao avy niatrika ny fivoriana Filan-kevitry ny Minisitra , alina, tonga dia nidina an-kianja avy hatrany, niaraka tamin'ireo teknisiana, ny Minisitra, nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboaran-dalana eto Antananarivo.

Toromariky ny Filoha 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐉𝐎𝐄𝐋𝐈𝐍𝐀, hoy izy, ary fampanantenana nomena ny vahoakan'Antananarivo ny hamitana ny asa fanamboarana ny lalana eto an-dRenivohitra, mialohan'ny fetin'ny Paka.

Zava-dehibe ny fanaraha-maso mivantana ny asa, indrindra ireo Lalana be mpampiasa, toy ny Route des Hydrocarbures etsy Ankorondrano, izay anisan'ireo notsidihana, omaly alina io.

Lalana ifamezivezen'ireo fiara Vaventy mpitondra solika, manana lanja mavesatra mihoatra ny 40 taonina ny eo Ankorondrano, ka hamafisina amin'ny alalan'ny akora manokana ny fanamboarana azy.

Hentitra amin'ny fanajana ny kalitao sy ny fenitra ny Ministera.

Nanome toky ny Orinasa fa ho tratra ny fe-potoana mialohan'ny fetin'ny Paka io.

Lalana maharitra ho lovain'ny taranaka mifandimby no tanjona, hoy hatrany ny Minisitra.

Ankoatra ny teny Ankorondrano, nojerena koa ny Lalana teny Andohalo, ny teny amin'ny Rocade Iarivo, By-pass ary ny teny Soanierana. Ireto roa farany izay mbola tao anaty fanamboarana ihany koa nandritry ny alina nandalovana teny.

 

#MTP #Miasahoanao #RuesdeTana