FIVORIAN’NY ANTENIMIERA ROA TONTA: NANATRIKA NY FANOKAFANA OFISIALY NY MINISITRY NY ASA VAVENTY

07/05/2025
Photo

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 6 mey 2025 ny fivoriana ara-potoana voalohany an’ny Antenimierandoholona sy Antenimierampirenena.

Nanatrika sy nanome voninahitra izany lanonana izany ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa RAFIDISON Richard Théodore, niaraka tamin’ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Mariky ny fandraisana andraikitra sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny andrim-panjakana izany, ary porofon’ny fandraisan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy anjara amin’ny fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena.

#MTP #MTPmiasahoanao #SessionOrdinaire