FITSIRIHAN’NY MINISITRY NY ASA VAVENTY NY LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO-TOAMASINA: FANAMAFISANA NY PAIKADY SY FANARAHAMASO AKAIKY

08/05/2025
Photo

Nisongadina indray ny fahavononan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy hanara-maso akaiky ny fandrosoan’ny asa amin’ny alalan’ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitra RAFIDISON Richard Theodore, androany teny amin’ny lalambe migodana Antananarivo–Toamasina. Niara-nisalahy tamin’ny fizahana ireo solontenan’ny LNTPB, ny vondrona mpanaramaso ary ireo mpiara-miasa amin’ny ministera.

Taratra fa misy fandrosoana hita maso amin’ny asa, ary niroso tamin’ny fanamafisana ny paikady entina hanatanterahana ireo dingana manaraka araka ny tetiandro ny tomponandraikitra. Nanome toromarika mazava ny Minisitra mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy hanafaingana ny fandehanan’ny asa amin’ny ankapobeny. Manamafy hatrany ny fitondram-panjakana fa zava-dehibe ny fahavitana ara-potoana sy ny kalitaon’ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny vahoaka.

#MTP #Miasahoanao #Autoroute #FidinanaIfotony #AntananarivoToamasina