FANARENANA NY TETEZANA MANAMBERY RNS5A: EFA MANDEHA NY ASA

07/05/2025
Photo

Mandroso hatrany ny asa fanarenana ny tetezan’i Manambery eo anelanelan’i Vohémar sy Sambava amin’ny lalam-pirenena fahadimy A (RNS5A). Efa nanomboka ny fanakisahana tsikelikely ny tetezana, ataon’ny orinasa mpanatanteraka, ary efa vonona avokoa ny ankamaroan’ny fitaovana ilaina amin’izany.

Mijery akaiky ny fizotry ny asa miaraka amin’ny birao mpanaramaso ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) SAVA. Raha mitohy tsy misy sakana lehibe ny fizotran’ny asa, dia vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny fiandohan’ny volana Jolay 2025 ny fanarenana.

Tsiahivina fa ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny PDDR no mamatsy ny tetikasa, ary tanterahina eo ambany fanaraha-mason’ny DRTP SAVA.

#MTP #MTPmiasahoanao #DRTPSAVA #Manambery #PDDR #BanqueMondiale