ASA FANAMBOARAN-DALANA AO AMIN’NY FARITRA SOFIA: EZAKA IOMBONANANA HO AMIN’NY FANDROSOANA

Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-31 mampitohy an’Ankazobetsiahy sy Bealanana ny solotenan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Banky Iraisam-pirenena ny 07 mey 2025 lasa teo.
𝐌𝐢𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 :
Efa vita ny fandravonana ny lalana, ny fametrahana ny sosona fototra, ny fanamboarana dalot, ary efa manomboka ny fananganana ny toerana fametrahana fitaovana toy ny station de concassage sy station d’enrobage.
Hanafaingana ny asa ny fanesorana ireo olona amin’ny toerana voakasika (libération d’emprise), izay efa nahazo fankatoavana ofisialy.
Tamin’io andro io ihany , nisy koa ny famindrana andraikitra tamin’ny iraka mpanaramaso ny tetikasa 𝐏𝐂𝐌𝐂𝐈 𝐂𝐄𝐑𝐂 𝐈𝐈. Tafiditra amin’izany ny fanarenana ny lalam-pirenena 𝐑𝐍𝐏𝟒 sy ny fanatsarana ny 𝐭𝐞𝐛𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐍𝟔. Asa maika sy lehibe vatsin’ny 𝐁𝐚𝐧𝐤𝐲 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚, tantanin’ny 𝐌𝐓𝐏 sy 𝐏𝐀𝐂𝐓.
Nampahatsiahivina fa fohy ny fotoana, ka ilaina ny fampitomboana fitaovana sy mpiasa mba hahatratrarana ny tanjona.
Miezaka amin’ny fomba hentitra ny Minisitera mba hahafahana manome 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐞𝐧𝐝𝐫𝐢𝐤𝐚 ho an’ny vahoaka.
#MTP #MTPmiasahoanao #FanamboaranDalana #RN31 #RN6 #PCMCI #PACT #BanqueMondiale #Sofia