ASA FANAMBOARAN-DALANA ANY AMIN’NY FARITRA ATSIMON’NY NOSY

09/05/2025
Photo

Nandritra ny fidinana ifotony tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA ny herinandro lasa teo, dia nojerena ireo asa fampandrosoana sy fanamboaran-dalana tanterahin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, eo ambany fitarihan’ny Minisitra Atoa RAFIDISON Richard Théodore.

𝐑𝐍𝟏𝟑𝐓𝐚𝐨𝐥𝐚𝐠𝐧𝐚𝐫𝐨 - 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐯𝐨𝐦𝐛𝐞 (𝟏𝟏𝟒 𝐤𝐦)

Efa ho vita tanteraka ny asa fanarenana amin’ity lalam-pirenena nampijaly ny mponina nandritra ny taona maro ity.

- Fanamboarana tetezana vy miisa 3 sy tetezana vaovao 1

- Fanoloana sy fanarenana ouvrages hydrauliques miisa 280

- Asa tohanan’ny Banky Eoropeanina ho an’ny Fampandrosoana (BEI), ho an’ny Faritra Androy sy Anosy

𝐑𝐍𝟏𝟎𝐀𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨𝐯𝐨𝐫𝐲 - 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐯𝐨𝐦𝐛𝐞 (𝟒𝟎𝟎 𝐤𝐦)

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana amin’ny alalan’ny tetikasa PCMCI.

- Tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena

- Mampifandray ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana, manome tombontsoa ho an’ny kaominina 24

- Hanamora ny fifamoivoizana sy hampitombo ny harinkarena eny ifotony

𝐁𝐨𝐮𝐥𝐞𝐯𝐚𝐫𝐝 𝐊𝐈𝐄𝐌𝐁𝐄𝐓𝐨𝐥𝐢𝐚𝐫𝐚

Vita sy notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny lalana mirefy 4,9 km sy ny digue manamorona ny seranan-tsambon’i Toliara mirefy 1,8 km.

- Miaro amin’ny tondradrano ny faritra iva (Mahavatse, Kiembe)

- Manatsara ny fitaterana entana mavesatra mankany amin’ny seranana

𝐅𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨

Nanome toromarika mazava ny Filohan’ny Repoblika hanarenana ireo lalana ao an-tampon-tananan’i Toliara (Père Barré, Betania, Morafeno, sns.) ary koa ny lalana mankany Sakaraha.

Mijoro hatrany ny MTP, manatanteraka ny vina sy paikady entin’ny Fitondram-panjakana ho an’ny fanarenana sy fampandrosoana ny Atsimon’ny Nosy.

#MTP #MTPmiasahoanao #RN13 #RN10 #BoulevardKiembe #ToliaraMandroso #FampandrosoanaAtsimo