Actualités
RNS12 SY RNT12A
Efa misokatra tanteraka ho an’ny fiara rehetra ny fivilian-dalana eo amin’ny PK 266+300, ao Besakay amin' iny RNS12 iny.
FITSIDIHANA IREO TETIKASA FANAMBOARAN-DALANA RNT12A sy RN13
Nanantanteraka fitsidihana ireo tetikasa fanamboaran-dalana roa lehibe any amin'ny Faritra Anosy sy Androy ny Sekretera jeneraly lefitra eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, 𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎...
VOIE RAPIDE mampitohy ny RN2 sy ny Seranan-tsambon’i Toamasina
Mahatratra 88% ny fanamboarana ny Voie Rapide RN2–Seranan-tsambon’i Toamasina. Vinavinaina ho vita amin’ny Mey 2026 ity tetikasa ity, ary hanatsara ny fifamoivoizana sy ny toekarena.
RN4 TANAMBAO ANDRANOLAVA Tetezana eo Andriambavirano PK 502: Misokatra tanteraka ny fifamoivoizana
FANAMBOARANA LALANA AMBANIVOHITRA : LAHARAM-PAHAMEHANA NY FILAN’NY VAHOAKA Manomboka ny asa ao IMADY/Kaominina MAROSOA/ Distrikan’AMBOSITRA
Hanomboka avy hatrany ny fanamboarana lalana mirefy 12 km ao Imady–Marosoa (Ambositra), ao anatin’ny fidinana ifotony ataon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy hanatsarana ny fivezivezena sy ny famokarana.
RNS 27 / Faritra IHOROMBE : Fanatsarana foto-drafitr’asa ho an’ny fivezivezena azo antoka
Ao anatin’ny fandaharan’asa maika 2025, miroso ny fanoloana tetezana 4 amin’ny RNS 27 ho béton armé. Efa 40 % ny fandrosoan’ny asa eo amin’ny PK 139+700, ary hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ireo tetezana ambiny...
FIAROVANA NY LALANA: Miara- mientana ny Fanjakana sy ny Mpitatitra
Notontosaina tao Anosy ny fivoriana momba ny fampiharana ny Didim-pitondrana 35.354/2025 mikasika ny fitondrana entana mihoatra ny lanja ara-dalàna, ho fiarovana ny lalam-pirenena sy fanatsarana ny fifamoivoizana
ANTALAHA RNT 53
Vita tanteraka ny asa vonjy taitra natao teo ANTSIRABATO PK 11+400, lalana mankany amin’ny seranam-piaramanidina.
FOTO-DRAFITR’ASA LALANA: Tetikasa lehibe eo am-panatanterahana miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny FONDS SAOUDIEN
Tetikasa roa lehibe amin’ny lalana eto Madagasikara no tohanan’ny Fonds Saoudien : ny Tetezan’i Mangoky (RN9) sy ny RN5 Soanierana Ivongo–Vahibe, izay miroso tsara ny asa ho fanohanana ny fampandrosoana.
RN7 Antananarivo-Antsirabe
Mandroso ny asa fanarenana ny RN7 Antananarivo–Antsirabe, efa miroso amin’ny fandrakofana tara ary mihatsara tsikelikely ny fivezivezena.