VOIE RAPIDE mampitohy ny RN2 sy ny Seranan-tsambon’i Toamasina
Mitohy ny asa fanamboarana ny Voie Rapide mampifandray ny RN2 sy ny Seranan-tsambon’i Toamasina, ka mahatratra 88% ny taham-pandrosoana amin’izao fotoana izao. Efa tanterahina ankehitriny ny fandrarahana “grave bitume” hanamafisana ny soson-dalana, eo anelanelan’ny PK 2+500 ka hatramin’ny PK 0+000, ho fototra mialoha ny fametrahana tara. Mirefy 9,440 km ity lalana ity, miainga eo amin’ny Rond-point Antanandava hatrany amin’ny seranan-tsambo.
Ny Orinasa SINOHYDRO no manatanteraka ny asa, ao anatin’ny famatsiam-bola avy amin’ny EXIMBANK, ary vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny volana Mey 2026. Rehefa vita, dia hanatsara ny fifamoivoizana, hampihena ny fotoana sy ny saran’ny fitaterana, hanamora ny fidirana sy fivoahana ao amin’ny seranan-tsambo, ary hanamafy ny fampiroboroboana ara-toekarena ho an’i Toamasina sy i Madagasikara manontolo.