RNT 31 mampitohy an’Antsohihy sy Bealanana
Efa mandroso tsara ny asa fanamboarana ny RNT31 mampitohy an’Antsohihy sy Bealanana. Hatramin’izao dia 47 km ny lalana efa vita couche de fondation, 142 ny lalan-drano efa vita amin’ireo 523 kasaina, ary 8 ny tetezana efa vita amin’ireo 34, ka mbola 7 no eo am-panamboarana. Na teo aza ny fahasarotana teo anelanelan’Antsahabe PK40 sy Ambatomifôko PK47, dia efa vita ny couche de base ary efa afaka mivezivezy ny fiara lehibe mamatsy solika sy entana ilain’ny mponina ao Bealanana.
Araka ny toromarika nomen’ny Minisitry ny Asa Vaventy Razafindrianarivo Henri Jacob, dia hisy fanamboarana haingana ireo teboka ratsy rehetra miditra an’i Bealanana mandritra izao fotoam-pahavaratra izao. Efa tonga avokoa ny milina ilaina ary efa manomboka ny asa, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Ny fahavitan’ny RNT31 mirefy 101 km mahery dia andrasana hitondra fampandrosoana lehibe ho an’ny Faritra SOFIA, indrindra fa ny Distrikan’i Bealanana izay anisan’ny sompitr’i Madagasikara amin’ny voka-bary.