RNS 27 / Faritra IHOROMBE : Fanatsarana foto-drafitr’asa ho an’ny fivezivezena azo antoka

30/01/2026
RNS 27

Ny RNS 27, mirefy 145 km ao amin’ny Faritra Ihorombe, dia miainga ao Ihosy ka hatrany Ivohibe sy Maropaika. Ao anatin’ny fandaharan’asa maika 2025, tetikasa fanoloana tetezan-kazo ho tetezana vato na béton armé no tanterahina, ka tetezana 4 no voakasika: Sahambano (PK 18+500), Fitakana (PK 111+750), Sandragnavy (PK 116+000) ary PK 139+700.

Amin’izao fotoana izao, miroso ny asa fanarenana ny tetezana eo amin’ny PK 139+700 ka efa mahatratra 40 % ny fandrosoana. Vita ny beton amin’ny fototra sy ny rindrina miaro, ary eo am-pametrahana ny lasitra ho an’ny andry sy ny takela-bato ambony. Haharitra 2 volana ny asa, ary hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fanamboarana ireo tetezana 3 ambiny, ho fanatsarana maharitra ny foto-drafitr’asa sy hiantohana ny fivezivezena azo antoka amin’ny RNS 27.

#MTP #miasaHoAnao #RNS27 #Faritra_Ihorombe #asa_maika_fanarenana