RN6 Ambondromamy - Ambanja: Ezaka mitohy sy fanaraha-maso hentitra ho an’ny lalana tsara kalitao.

18/03/2026
Photo

Notsidihana ny asa fanamboaran-dalana amin’ny RN6 (Ambondromamy–Ambanja), ao anatin’ny tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, mba hanaraha-maso ny fandrosoana sy hanamafisana ny fahavitan’ny asa ara-potoana. Ao amin’ny ampahany Ambondromamy–Antsohihy dia mbola misy fahatarana kely, nefa mandeha tsara ny asa ka nasaina nanamafy fitaovana, mpiasa ary fandaminana ireo tompon’andraikitra.

Ao amin’ny ampahany Antsohihy–Ambanja kosa dia efa manakaiky ny fahavitan’ny asa, ary antenaina ho vita ara-potoana raha mitohy izao ezaka izao. Tanjona ny hanana lalana tsara kalitao, azo antoka ary maharitra, hanamora ny fivezivezena sy hanohana ny toekarena ao amin’ny faritra SOFIA sy DIANA.

#MTP #miasaHoAnao #CERC_PCMCI #RN6 #Ambondromamy_Ambanja