RN4 TANAMBAO ANDRANOLAVA Tetezana eo Andriambavirano PK 502: Misokatra tanteraka ny fifamoivoizana

04/02/2026
Tetezana eo Andriambavirano PK 502

Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny fifamoivoizana eo amin’ny Tetezana Andriambavirano Tanambao Andranolava, izay miorina eo amin’ny PK 502 amin’ny Lalam-pirenena faha-4 (RN4). Tontosa androany ny andrana teknika natao tamin’ny lanja ambony indrindra afaka mandalo eo ambonin’ity tetezana ity, ary araka ny vokatra azo dia mahafeno tanteraka ny fepetra ara-teknika takiana ny foto-drafitr’asa.

Toy ny amin’ireo lalam-pirenena manerana ny Nosy, dia mahazaka hatramin’ny 44 taonina ny lanja azon’ny tetezana entina. Izany dia manome antoka ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran’ny fifamoivoizana, sady miantoka ny faharetan’ny foto-drafitr’asa ho tombontsoan’ny mpampiasa lalana rehetra.