FOTO-DRAFITR’ASA LALANA: Tetikasa lehibe eo am-panatanterahana miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny FONDS SAOUDIEN
Tetikasa roa lehibe no tohanan’ny Fonds Saoudien eto Madagasikara amin’ny sehatry ny foto-drafitr’asa lalana, dia ny fanamboarana ny Tetezan’i Mangoky amin’ny RN9 sy ny fanamboaran-dalana Soanierana Ivongo–Vahibe amin’ny RN5. Ho an’ny Tetezan’i Mangoky, miroso miandalana ny asa ka 42% no efa vita, ary 20 tapitrisa USD no famatsiam-bola natolotry ny Fonds Saoudien. Hidina ifotony hijery ny fandrosoan’ny asa ireo solontena avy amin’ny Fonds Saoudien amin’ity herinandro ity.
Mikasika ny RN5 Soanierana Ivongo–Vahibe, efa 79% ny asa no tanteraka ary vinavinaina ho vita amin’ny taona 2026, miaraka amin’ny famatsiam-bola 14 tapitrisa USD avy amin’ny Fonds Saoudien. Maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ny Minisitry ny Asa Vaventy, Razafindriarivo Henri Jacob, indrindra amin’ny tapany Vahibe–Mananara sy Mananara–Maroantsetra, araka ny politika napetraky ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra momba ny fanavaozana ny foto-drafitr’asa lalana, izay fototry ny fampandrosoana ara-toekarena. Matotra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Arabia Saodita, ary porofon’izany ny fahavononan’ny Fonds Saoudien handray an-tanana ny famatsiana ny 15 km voalohany avy eo Vahibe.
#################
INFRASTRUCTURES ROUTIÈRES:
Des projets majeurs en cours avec l’appui du FONDS SAOUDIEN
Deux projets structurants sont au cœur de la coopération entre Madagascar et le Fonds saoudien pour le développement dans le domaine des infrastructures routières : la construction du pont de Mangoky sur la RN9 et la réhabilitation de la route Soanierana Ivongo–Vahibe sur la RN5. Les travaux du pont de Mangoky avancent progressivement, avec un taux de réalisation de 42 %, pour un financement de 20 millions USD. Une mission de terrain est prévue cette semaine afin d’évaluer l’état d’avancement du chantier.
Pour le tronçon RN5 Soanierana Ivongo–Vahibe, les travaux sont réalisés à 79 % et la livraison est prévue en 2026, avec un financement de 14 millions USD du Fonds saoudien. Le ministre des Travaux publics, Razafindriarivo Henri Jacob, a réaffirmé la volonté de poursuivre la coopération, notamment pour les tronçons Vahibe–Mananara et Mananara–Maroantsetra, conformément à la priorité nationale accordée à la modernisation des infrastructures routières par les plus hautes autorités de l’État. La solidité du partenariat avec l’Arabie saoudite se confirme par l’engagement du Fonds saoudien à financer, lors d’une prochaine phase, les 15 premiers kilomètres à partir de Vahibe, engagement réitéré lors de la réception officielle de sa délégation par le ministre.