FIAROVANA NY LALANA: Miara- mientana ny Fanjakana sy ny Mpitatitra

28/01/2026
Actu 28-01-2026

Notontosaina tao amin’ny Salle vitrée Anosy ny fivoriana momba ny Didim-pitondrana iraisan’ny Minisitera laharana faha-35.354/2025, izay mamaritra ny sazy sy ny fomba fampiharana amin’ny fitondrana entana mihoatra ny lanja ara-dalàna eny amin’ny lalam-pirenena. Niarahan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ny Agence Routière ary ny Association des Transporteurs et Camionneurs izany, ho fiarovana ny foto-drafitr’asa sy fanatsarana ny fifamoivoizana.

Nofaritana nandritra ny fivoriana ny fananganana ny “Comité de Suivi”, ny fanentanana hatao ary ny fampiharana ofisialy ny didim-pitondrana. Notarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony sy ny solontenan’ny mpitatitra izany, ho fampiharana mangarahara sy itovizana ho an’ny rehetra.