FANAMBOARANA LALANA AMBANIVOHITRA : LAHARAM-PAHAMEHANA NY FILAN’NY VAHOAKA Manomboka ny asa ao IMADY/Kaominina MAROSOA/ Distrikan’AMBOSITRA
Hatramin’ny nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Michael RANDRIANIRINA, ny fahefana dia nanome baiko ny Minisiteran’ny Asa Vaventy hijery akaiky ny toetry ny lalana manerana an’i Madagasikara, noho ny fahasimban’ny lalam-pirenena sy ambanivohitra maro izay manasarotra ny fivezivezena sy ny fampandrosoana. Izany no anton’ny fitetezam-paritra ataon’ny Ministera, hijerena mivantana ireo lalana tena manahirana ny vahoaka.
Tao anatin’izany, nidina ifotony tao Imady, Kaominina Marosoa, Distrikan’Ambositra, ny Minisiteran’ny Asa Vaventy RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob ny zoma 30 janoary, nijery lalana mirefy 12 km izay tsy nokojakojaina nandritra ny taona maro. Hanomboka avy hatrany ny asa fanamboarana araka ny teti-bola misy, ka hatao laharam-pahamehana ireo teboka tena sarotra, ary kaominina dimy farafahakeliny no hisitraka mivantana ity lalana manan-danja amin’ny famokarana sy ny fivezivezena ity.
#MTP #miasaHoAnao #Ambositra #Marosoa #Imady #asa_fanamboarana_manomboka