ANTALAHA RNT 53

27/01/2026
ANTALAHA RNT 53

Vita soa aman-tsara ny asa vonjy taitra fanamboarana sy famenoana banga teo amin’ny PK 11+400 amin’ny RNT 53, ao Antsirabato, Kaominina Ampohibe, Distrikan’Antalaha, Faritra SAVA. Tsiahivina fa nahitana fahasimbana betsaka ity ampahan-dalana ity vokatry ny rivodoza Gamane tamin’ny taona 2024, saingy ankehitriny dia efa tafaverina tanteraka amin’ny laoniny.

Lalana manan-danja ny RNT 53 satria mampitohy mivantana mankany amin’ny seranam-piaramanidin’Antalaha. Ity asa maika ity dia manaporofo ny finiavan’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana hanamafy ny foto-drafitr’asa sy hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka, ka mampihena ny loza sy ny mety ho fahatapahan-dalana ary manatsara ny fivezivezena ho mora sy azo antoka.

#MTP #miasaHoAnao #RNT53_Antsirabato #Antalaha #asa_maika_vita